Afaka roa andro eo sisa, hifandona amin’ny les Fauves Centrafrique ny Barea de Madagascar. Fihaonana hatao any Maroc, ny alarobia 19 marsa ho avy izao, ary tafiditra amin’ny andro fahadimy, fifanintsanana “Mondial 2026”. Araka ny vaovao voaray omaly, efa tonga any Maroc, ny mpilalao milaravinahitra toa an-dry Clement Couturier sy i Tommy Iva ary i Morgan Jean Pierre.
Efa niatrika fanazaran-tena niaraka tamin’ireo mpilalao avy eto an-toerana moa izy ireo, raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray avy any an-toerana. Raha ny fantatra, nandrasana omaly ihany koa ny fahatongavan’i Thomas Fontaine, i Caddy Warren, Mathieu Acapandié, Thierno Millimono.
Tsiahivina fa mpilalao 26 mirahalahy no nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra ny ekipa nasionalin’ny Barea. Hanao fanazaran-tena indray moa izy ireo, anio, ary vinavinaina ho tonga androany ireo mpilaravinahitra sasany. Tsara ny mampahafantatra fa aorian’ny fifanandrinana amin’i Centrafrique, hifandona amin’ny Black Star Ghana indray i Madagasikara, ny 24 marsa ho avy io.
Marihina fa hanan-danja avokoa ireo lalao roa hataon’ny Barea ireo, ary mbola manana herijika hanao Mondial ny Malagasy, izay manana isa 7, laharana fahatelo ao amin’ny vondrona “I”.
Fitia Randria