INDRAY MIJERY

Vita ny faran’ny herinandro teo ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny Pr Andriamaniraka Jaona Harilala, tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiansa teo aloha sy ny Pr Ranarijaona Hery Lisy Tiana, tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiansa vaovao eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Zava-dehibe ny fiaraha-miasa ka nanaovany antso amin’ ny rehetra mba hahazoana vokatra tsara.
Tsy nahenan’ny fanjakana akory ny tahan’ny vatsim-pianarana fa ny vola mivoaka natokana ho amin’izany no nihena taorian’ny nirosoana tamin’ny fanatobiana niomerika na « digitalisation ». Nahafahana nahita ny lesoka rehetra nahatonga ny fandaniana mihoapampana teo aloha izany.
Vokatra azo tsapain-tanana ny fametrahana lavadrano na « forage » izay vahaolana amin’ny fisitrahana rano ho an’ny mpianatra ka nanatanteraka izany ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Natolotry ny minisitra, Pr Chaminah Loulla, teny Ankatso II, izany fotodrafitrasa izany, niaraka tamin’ireo mpiara-miombona antoka.
Nisy ny fanampiana ara-tsakafo natolotra ireo mpianatra, « colis alimentaire », amin’izao vanim-potoan’ ny Ramadan izao ho an’ny mpianatra mpino silamo eny Ankatso, sy ny Oniversiten’i Mahajanga, Antsiranana, Fianarantsoa, Toamasina ary Toliara. Misitraka sakafo mafana isan’andro kosa ireo mpianatra ho an’ny mpianatra miisa 500, isaky ny atoandro. Hitohy hatramin’ny faran’ny volana izany.

Partager sur: