Manomboka ny hetsika « influenceur Trip », andiany fahatelo, fampahafantaran’ny olo-malaza toerana ara-pizahantany an’i Nosy Be. Mikarakara azy ny orinasa Ravinala Airports, miara-miasa amin’ny The Real Madagascar, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA). Tanjona, ny hampahafantarana ny toerana tsara tsidihina rehetra any Nosy Be, indrindra amin’izao fotoana maha vitsy ny mpizahatany izao.
Tafiditra ao anatin’ny fametrahana paikady hisarihana tsy tapaka ny mpizahatany ny hetsika «influenceur Trip», izay ataon’ny minisitera MTA laharam-pahamehana. Hampiroboroboana ny fizahantany eto Madagasikara, hanehoana fa azo tsidihina mandavan-taona, tsy mifidy vanim-potoana ny ao an-toerana.
Natao tamin’ny febroary 2025 ny « influenceur Trip » andiany voalohany, namondronana ireo olo-malaza eto an-toerana. Hitan’izy ireo ny toerana rehetra manan-danja any Nosy Be, ny hetsika ara-pizahantany azo atao, na dia mandritra ny vanim-potoana hirotsahan’ny orana aza. Nozarain’izy ireo tamin’ny mpankafy azy tanaty tambajotra sosialy izany rehetra izany. Hampitombo ny olona mahalala sy tsara kokoa ny hatsaran’i Nosy Be ity andiany fahatelo hatao ity ho an’ny mpizahatany eto an-toerana sy ny avy any ivelany.
Njaka A.