Nivoaka ny faran’ny herinandro teo ny andiany “Vanona” eo anivon’ny Sekolim-pirenena momba ny fitantanana ny raharaham-panjakana- Enam. Nanafatrafatra azy ireo ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard.
Nambarany tamin’izany ny amin’ny tokony hanatsarana hatrany ny fomba fiasa amin’ny fanatanterahana ny asam-panjakana. “Aoka mba ho ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy sy ny hampandrosoana ny firenena no katsahana”, hoy izy. Nanteriny ny tokony hananan’ny mpiasam-panjakana ny “obligation de reserve” ka mba ny mifanandrify amin’ny andraikitra ihany no hanehoana hevitra imasom-bahoaka. Nentaniny, araka izany, ireto andiany ireto mba hampihatra ny fianarana norantoviny ka tsy hijery afa-tsy ny hanasoavana ny Andrimpanjakana.
Nankasitrahin’ny Jly Ravalomanana Richard manokana ireo masoivoho sy mpiara-miombona antoka nanatrika izany. “Marika hita maso fa mahatoky ny mpitondra fanjakana izy ireo na eo aza ireo fanaratsiana samihafa atao eny amin’ny tambajotran-tseratsera”, hoy izy.
Toe-tsaina miabo
Notsindriny fa tokony hanana soatoavina sy toe-tsaina miabo, hahay mankasitraka ireo mendrika sy nahazo fiofanana na fahasoavana toy izao. Aoka tsy hifampialona sy hifampitsikera, araka ny nambarany.
Etsy andaniny, nanolotra soso-kevitra tamin’ny ministry ny Asa, Razakaboana Hanitra, ny filohan’ny Antenimierandoholona ny amin’ny tokony hijerena manokana ireo mpampiofana eny anivon’ ny Enam. Mendrika sy mamiratra no tokony ho tendrena hampita fahalalàna, mba ho fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fampiofanana, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa nahazo mari-pahaizana tamin’izany ireo mpiasa miisa roa eo anivon’ny Antenimierandoholona.
Synèse R.