« THB Mifety » : Nafana ny fety roa andro

Fararanon-danonana ny teny Anosizato, ny faran’ny herinandro teo. Na dia antomotra aza vao fantatra ny fisian’ny hetsika, rakotra mpifety ny « THB Mifety » tao amin’ny Santilo, nanomboka ny zoma hatramin’ny sabotsy teo. Mazava loatra fa noho ny fisian’ireo mpanakanto nanafana ny sehatra no antony voalohany. I Samöela no nanokatra izany ny zoma. Avy hatrany dia nasesin’ity mpanakanto ity ireo hirany mazala sady mihetsika, ka nampiakatra ny hafanan’ireo mpijery. Notohizany tamin’ireo somary milamindamina izany ny tapany faharoa, izay niarahan’ny teny an-tsehatra sy ny mpijery niredona avokoa.
Natao ho an’ireo tanora kokoa ny sabotsy. I Raouto no efa nambara voalohany fa hanafana ny fotoana rehefa harivariva. Ny atoandro anefa, dia efa feno avokoa ireo toerana nomanin’ny mpikarakara. Mbola tsy nampoizina, niaka-tsehatra nanokatra ny fotoana i Cky Cky. Niakatra vetivety ny hafanana, izay tody tamin’ny fara-tampony rehefa nanesy ireo hirany malaza amin’izao fotoana Raouto. Niandraikitra ny fanentanana toa ny mahazatra i Barhone.

Zo ny Aina

Partager sur: