TSELATRA

Namoy ny ainy, nisy namono ny zanaky ny ben’ny Tanàna ao Tanambao, distrikan’i Bekily, afakomaly. Notafihan’ny andian’olona ny trano fonenan’io ben’ny Tanàna am-perinasa io. Lasibatry tamin’izany ilay zanany lahimatoa.
Taksiborosy nahatraran’ny zandary rongony milanja 13 kilao tamin’ny RN1, teo Ankadimaimbo, fokontany Ambohibary, kaominina Analavory, omaly atoandro. Natao anaty fonosana, natambatr’io mpamily io tao anaty gony fotsy io entana io.
Mpangarom-paosy roa lahy voasambotry ny mpitandro filaminana teny Mahazo, Soamanandrariny, omaly. Nisy nahatsikaritra ny fihetsik’izy roa lahy ka noraisim-potsiny. Tratra teny aminy ny telefaonina raitra avy nangalariny.
Olona am-polony avy amin’ny fokontany samihafa anatin’ny boriborintany miisa enina eto an-dRenivohitra nosamborin’ny polisim-pirenena tamin’ny alalan’ny hetsika Bemidina, ny 14 marsa teo. Fandikan-dalàna amin’ny alalan’ny fifohana zava-mahadomelina, halatra moto sy fanendahana ny ankamaroan’ireo tratra. Miara-mientana hatrany ny polisy eny anivon’ny boriborintany tsirairay mamongotra ireo mpanao ratsy.

Partager sur: