Simba ny lalana sasany ao an-tampon-tanànan’i Taolagnaro vokatry ny ora-mikija nisesy any an-toerana. Anisan’izany ny any amin’ny fokontany Asokaky sy Betsioky, izay mampitaraina ny rehetra satria tapaka ny fifamoivoizana. Nijery ireo tany an-toerana, ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore, ny 14 marsa teo, ary nambarany fa tsy maintsy karohina ny vahaolana, hanarenana haingana ny simba.
Nahatratra 1 668 ny mpizahatany miampy mpiasan’ny sambo miisa 896 tao anatin’ny sambo vaventy Costa Deliziosa, nigadona tany Toamasina, ny talata 11 marsa teo. Nidina an-tanety ny 1 182 tamin’ireo mpandeha, nitsidika ny hakanton’i Toamasina ara-pizahantany. Anisan’izany ny fitsangatsanganana tamin’ny Lakandranon’i Pangalana, fandehanana fiara 4×4 hatrany amin’ny tanànan’i Ariane, nitety tanàna sy tsena, sns.
Miisa 23 ny mpiofana nahazo ny mari-pahalalana ho an’ny teknisianina ambony ara-pambolena (DTSA), tao amin’ny EFTA Analamalotra Toamasina, ny 3 marsa teo. Nisalotra ny anarana indray mihira hoe « Sandratra », ka vehivavy ny 7 amin’izy ireo. Naharitra roa taona ny fiofanana. Tanjona ny hampahaleo tena ny tanora mpandraharaha, hampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra.