Eo amin’ny fiainana, misy ory hava-manana? Tsy iza fa izay tsy mahazaka ny hafa misandratra sy misondrotra. Indrindra izay akaiky ny tena, iray lahatra amin’ny tena na niara-niainga tamin’ny tena, mpifaninana amin’ny tena… Amin’izany rehetra izany, tsy vitan’ny hoe ory fotsiny ny sasany fa mankahala, manaratsy, manao izay haminganana… Farafaharatsiny, mba mieritreritra sy manontany tena ahay: nahoana no nahatonga ny hafa tafasandratra sy tafasondrotra amin’ny alehany sy ataony? Na izay vitan’ny hafa, mba mety ho vitan’ny tena. Manao tsara sy be lavitra aza… Tsy saika ahitana izany mandrakariva ve eo amin’ny tontolo politika, ohatra? Izay no anisan’ny mahatonga ny fiandrasana kendry tohina, fanaratsiana, fanakorontanana…
Misy koa ny faly havana ory amin’ny fahavoazan’ny hafa: manenji-dresy, manao tsindrio fa lavo… Tsy vaovao eo amin’ny politika koa izay? Sanatria, toa zaran’ny sasany aza miseholany na tsy mahafa-bela, ohatra, ny fahavoazana. Eny, na hatramin’izay mety ho voka-dratsin’ny loza voajanahary aza. Eo, ohatra, ny tsy fahampian-drano sy ny tsy fahazoana mamokatra araka ny tokony ho izy noho ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fisian’ny traboina amin’ny fandalovan’ny andro ratsy na rivodoza… Amin’izay, voaporofo ary tsy takona afenina, hono, ny tsy fahombiazan’ny fitondram-panjakana. Izay hahavoazan’ny mpifanandrina politika amin’ny tena no be ao an-doha sy atao; eny, na mitera-pahavoazana ho an’ny hafa sy ny firenena aza?
Na ahoana na ahoana, manana havana ory ny firenena amin’izao: fahasahiranana isan’andro mandavantaona noho ny fahantrana, fahavoazana noho ny fiovaovan’ny toetr’andro: haintany mampanahirana amin’ny famokarana, tondradrano… Aiza ho aiza ny hoe voin-kava-mahatratra?
R. Nd.