FANTINA sy FINTINA

Nodimandry, omaly, i Esoavelomandroso Andreas Monique Claudine, anisan’ny mpikambana vaovao ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny mariboninahi-pirenena ao amin’ny faritanin’i Toliara. Efa nisahana ny andraikitry ny “Médiateur de la République” teo aloha ihany koa izy.
Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni fa afaka manitsy ireo diso amin’ny mombamomba azy ny olom-pirenena rehefa tonga eny anivon’ny fokontany ny lisi-pifidianana nasiam-panavaozana. “Afaka manao fanitsiana amin’izany ireo nanao ny fanisana “CLRE”. Mampiditra izany anaty solosaina kosa ny eo anivon’ny CED”, hoy ny eo anivon’ny Ceni, omaly.
Miatrika fiofanana hatramin’ity herinandro ity ireo ben’ny Tanàna sy Mpanolotsaina amin’ireo kaominina miisa 20 any amin’ny distrikan’i Maroantsetra. Anisan’ny miofana koa ireo sekretera “Trésorier comptable”, ny lehiben’ny boriborintany. Nitarika izany ny solontenan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola.
Nomarihina ny alahady teo ny jobily faha-25 taona naha mpitandrina ny pasitera Ravelonanosy Mamy Tiana. Nitarika izany tao amin’ny FJKM Ankazobe Fandresena ny filohan’ny FJKM, ny Dr Andriamahazosoa Irako Ammi. Filoha mitarika ny komity fankalazana kosa ny mpitandrina, Randriamisata Roger.

Partager sur: