Raha ny zava-misy eo amin’ny ady sisiky ny Vaomiera momba ny satan’ny vehivavy, andiany faha-69, hatao any New York, misy ny fifanakalozana traikefa amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo.
Ankoatra ny fankatoavana ny fifanarahana natao tany Maputo, ilaina ny fampiharana ireo lalàna amin’ny fanomezana anjara toerana ny vehivavy sy ny fampitoviana ny zony amin’ny lehilahy. Nisongadina amin’izany ny fiarovana ny vehivavy amin’ny herisetra izay tsy mbola tena hita taratra amin’ny firenena afrikanina.
“Efa maro ny lalàna napetraka eto Madagasikara hahafahana mijery ny zon’ny vehivavy, araka ny fifanarahana natao tany Maputo izay misy andininy 52. Mbola maro koa anefa ireo lalàna tsy mamaritra izany ka nahafahana naka traikefa”, hoy ireo parlemantera any an-toerana. Nijerena ny lalàna mahakasika ny fanambadian’ny zaza tsy ampy taona. Ny lalàna mahakasika ny olona mitondra vohoka noho ny antony tsy fidiny na vohoka mety hiteraka fahasembanana ny zaza ao an-kibo na avy amin’ny fanambadian’ny olona akaiky na mamoafady. Nojerena tamin’izany ny lalàna tsara apetraka sy mety hampiharina eto Madagasikara mba hitondra vokatsoa ary hoentina eo anivon’ny Antenimierampirenena malagasy.
Tanjona ny fahasahiana hiroso sy ho sahy hampihatra ireo lalàna efa misy sy mbola haroso na ho inona fomba sy fahazarana mety manohitra izany. Anisan’izany ny fampitovian-jo ny zanakavavy, indrindra ny fisitrahana.
Tatiana A