Filana raharaha eny amin’ny kaominina: Hanamora ny fikirakirana dosie ny “Matac”

Anisan’ny fitaovana informatika hikirakirana ireo dingana samihafa ho amin’ny fahazoan-dalana manorina ny “Matac”. Natao hampiasain’ny eny anivon’ny kaominina izany hanomezana fahafaham-po ireo mila raharaha.

Anisan’ny tetikasa novolavolain’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), amin’ny alalan’ny «Observatoire du Territoire – OT» ny “Matac”. Nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisitera fa manana tanjona ny hanamora ny fikirakirana ny antontan-taratasy rehetra eny anivon’ny kaominina izy ireo amin’ny alalan’io Matac io. “Anisan’izany ny fampitana ireo antotan-taratasy amin’ireo an-tanan-tohatra isan-tsokajiny. Natao hampihenana ny fotoana lany koa izany ary hampiroboroboana ny mangarahara amin’ny fe­petra ara-panajariana manerana ny Nosy”, hoy izy ireo.
Efa niroso tamin’ny dingana faharoa ny tetikasa na ny “Matac II”, amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny eo anivon’ ny MFFT fa mbola omen’ny tetikasa Produir tantsoroka hatrany ny eo anivon’ny minisitera mba hahafahan’ny kaominina hafa mikirakira ity fitaovana ara-informatika “Matac” ity.

Nampiofanina ireo kaominina
Tsiahivina fa nikarakara fiofanana hikirakirana izany ny eo anivon’ny fandaharanasa Produir ny herinandro teo. Nohazavaina tamin’izany ny momba ity fitaovana ity ary narahana fampiharana ihany koa. Niverenana nampiofanina koa ireo tomponandraikitra eny anivon’ny kaominina efa nampiasa ny “Matac” teo aloha. Mandritra ny volana marsa sy avrily izao izany fiofanana izany ary manaraka akaiky ny tetikasa ny eo anivon’ny Direction de l’observatoire du territoire.

Synèse R.

Partager sur: