Amin’izao fotoana izao, mbola maro ny vehivavy tsy afaka mivelatra amin’ny sehatra maro. Manoloana izany, miezaka ny mampiseho ny maha zava-dehibe ny vehivavy eo amin’ny firenena Raboanaritompo Jessica Soary, Malagasy vehivavy mpikatroka karate. Manana tanjona goavana ny hampivelatra sy hanentana ireo vehivavy hitia fanatanjahantena ny tenany amin’izao fotoana izao.
“Ho ahy, ny vehivavy dia manana ny hery sy ny fahavitrihana hiatrika ny zava-misy rehetra”, hoy i Jessica Soary. Nomarihiny fa tsy mifidy sarangan’olona izany, na renim-pianakaviana izy, na mpandraharaha, na atleta. Na inona na inona andraikiny sy ny asany eo anivon’ny fiarahamonina.
Nambarany fa manana tanjaka sy fahaiza-manao tsy manampaharoa ny vehivavy.
Maro nefa ny tsindry sy ny ambana mahazo azy ireny. “Indrisy, mbola betsaka ny sakana sedrainy amin’ny sehatra maro, anisan’izany ny resaka fanatanjahantena. Izany no naharisika ahy hanohana ny Malagasy vehivavy, mba hahatsapan’izy ireo fa afaka mivelatra sy mivoatra amin’izay sehatra rehetra tiany hidirany ry zareo. Tsy misy ny fetra ho an’ny vehivavy mahery”, hevitr’ity Malagasy vehivavy ity.
Fahafahana mitovy
Matetika miteraka olana hatrany eo anivon’ny fiarahamonina ny zon’ny lehilahy sy ny vehivavy. Mahakasika izay lohahevitra iray izay, naneho ny heviny i Jessica Soary, fa tokony hitovy ny fahafahan’ny lehilahy sy ny vehivavy. « Tsy midika akory izany fa mitovy ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ny lafiny rehetra. » Raha fehezina, tokony tsy hisy mihitsy ny resaka miralenta eo amin’ny sehatra ara-tsosialy, toekarena, ary indrindra ny fanatanjahantena.
Sazy henjana !
Mbola tsy lefy eto Madagasikara ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy, ao anatin’izany ny resaka fanolanana sy ny vono sy ny daroka. Raha ny fahitan’i Jessica ny zava-misy, tokony hampiharana sazy henjana ireo lehilahy manao fihetsika mahery sy tia mikasi-tanana tovovavy. Raha ny soso-kevitra nomeny, tokony hogadraina sy handoa onitra, amin’ny sahaza azy, izy ireny satria tranga tsy azo leferina mihitsy ny mampiseho hery mihoatra ny tokony ho izy amin’ireo andriambavilanitra.
Ankoatra izay, ilaina koa ny fanabeazana sy ny fampianarana izany eny ifotony mba hampiova ny toe-tsain’ny tsirairay ka hampitsahatra tanteraka ny herisetra.
Efa nahazo medaly maro i Jessica
Tsara ny mampahafantatra fa Raboanaritompo Jessica Soary, atleta vehivavy mpikatroka taranja karate, sokajy -68 kg. 19 taona izy ankehitriny, ary efa manana ny lanjany sy ny lazany amin’ity taranja ity. Efa tompondaka lefitra nandritra ny fifaninanana “Ambassador’s Cup International 2019”. Ankoatra izay, voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny lalao isan-tarika ihany koa izy ny 2019, ny 2020. Indroa voalohany tamin’ny lalaon’ny tsirairay sy isan-tarika ihany koa, tamin’ny Lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay notontosaina teto Madagasikara. Farany, nandrombaka ny medaly volamena tamin’ny fifaninanam-pirenena, teo amin’ny sokajin-dalao, tsirairay sy ny isan-tarika ihany koa ny tenany, ny 2023 lasa teo ihany.
Ankoatra ny taranja karate, manao “musculation” sy “crossfit” ity vehivavy ity. Nomarihiny fa tsy najanony velively ny taranja karate, fa mbola manohy izany sy miatrika fanazarantena ny tenany ary ny fifaninanana farany teo ihany no tsy natrehiny.
“Matokisa tena fa mahavita ianao! Aza avela hisy hisakana anao, na inona, na inona! Matanjaka sy mendrika ianao”, hoy ny hafatra avy amin’i Jessica Soary.
Nanatontosa :
Fitia Randria