« Comedy Show », iarahana amin’ireo vehivavy mpanao hatsikana, ny zoma 28 marsa izao, ao amin’ny Tana Water Front. Hifandimby an-tsehatra mandritra izany i Njara, Joaly, Mihora ary Ny Ahy. “Il etait une femme” ny lohahevitra hihodinan’ireo mpanakanto ireto, ho fanandratana izay talentan’ny vehivavy any anaty hatsikana izay.
Hotanterahina anio, etsy amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina, ilay fampisehoana karakarain’ ny Madagascar Mozarteum, mandia ny faha-15 taonany. Fitah & Friends, tafiditra ao anatin’ny andiam-pampisehoana faha-157 anatin’ny Concert classique de Midi. Hanomboka amin’ny 1 ora tolakandro izy ireo no hamerina indray ny sanganasan-dry R. Strauss, G. Verdi, Mozart…
Tafatsangana ny komity ho fankalazana ny faha-30 taona niorenan’ny Zanabaliha. Hetsika maro no hokarakarin’ity komity ity. Omena lanja lehibe ny eto an-toerana. Tsy ho latsa-danja ny any ivelany. Raha tsiahivina, misy sampana efatra ao anatin’ny Zanabaliha: fampianarana valiha, soratra, dihy ary kabary. Fony fahavelony, ny Pr. Albert Rakoto Ratsimamanga no niahy (filoham-boninahitra) ny Zanabaliha.
“Mitendry Poezia”. Antsan-tononkalo karakarazain’ny Faribolana Sandratra, sampana Maevatanàna izy ity. Hotontosaina ao amin’ny Ivokolo Clac Maevatanàna rahampitso, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro. Hifandimby amin’izany ireo poeta mpiray faribolana: Fy Tsiky, RaSolo, Radzaonasy, Emilson, Milanto ary i JasaraH’Aina.