Tarika ivondronana tanora nasesi-pitiavana mozika, ka hanandratra ny forona mifototra amin’ny vazo an-gitara ny H’Avana. Manan-kozaraina izy ireo.
Mamorona fa tsy mamerina. Fanamby goavambe hataon’ny tarika H’Avana, lalantsaina entiny mamakivaky ny tontolon’ny mozika izany. Manome lanja izay famoronan-kira misy fototra izay ny tarika, satria ankoatra ny mozika efa mikoriana ao anaty, misy hafatra zaraina amin’ny mpiara-monina ihany koa ao.
« Misy ny teny hoe avana ao anatin’ny anaran’ny tarika H’Avana. Maneho ilay gadon-kira maroloko iangalian’ny
tarika io. Mifototra amin’ny filalaovana ny gitara akostika izany. Mampita hafatra, ka azo sokajiana ho mpivoy ny folksong ihany koa ny tarika. Hahenoana ny vokatry ny tany, ny ba gasy, country, latino, sns, izany hoe, tsy voafetra be, nefa kosa voafaritra ao anaty valan’ny revy gitara, ka mora raisina kokoa ho an’ny mpihaino ny tonony sy ny feony”, hoy ny nambaran’i Voara.
Mpamoron-kira, mpihira, mpitendry ary mitarika ny H’Avana i Voara. Manampy azy eo amin’ny famoronana i Ando, izay sady mpitendry gitara no mpihira ihany koa.
I Sedra no miandraikitra ny gitara maranitra ary i Ando Kely kosa no miangaly ny gitara beso, ny zavamaneno ravaka ary manampy amin’ny fihirana koa. Efa tany amin’ny taona 2008 no nirona tamin’ny famoronan-kira i Ando sy i Voara. Ny taona 2020 kosa no tena nahazo anarana ny tarika. Ankoatra ilay “avana”, misy ny hoe “Havana” ihany koa, mahafaoka be ny lalantsaina voizin’ny tarika.
Efa manana hira 35 any ny tarika H’Avana amin’izao fotoana. Ny 6 amin’ireo no efa vita fandraisam-peo, ka anisan’ireny ireo efa fantatry ny maro, toa ny “Lalan-kafa”, “Mbola hihaona”, ary “Rasoa”. Ito farany izay efa vita rakitsary.
Ho fampahafantarana ny tarika sy ny sanganasany, hisy ny “cabaret-concert” izay hotontosain’ny tarika ny zoma 4 avrily izao, manomboka amin’ ny 8 ora sy sasany, eny amin’ ny Espace Anjara-Soa Soamanandrariny. Hifampizara sehatra amin’ny tarika Zandry Gasy izy ireo, mandritra izany. Mitovy ny lalantsaina na samy manana ny hanitra ho azy aza, ka mifameno tsara ny hiran’ny tarika roa tonta.
Zo ny Aina