Tsipy kanetibe: Lasan’ny ekipan’ny UBM ny vola 2 tapitrisa Ariary

Nanjakan’ny ekipan’ny UBM Ambohitrimanjaka ny famaranana teo amin’ny sokajy Sénior, lehilahy, nandritra ny fiadiana ny amboara nanokafana ny taom-pilalaovana ho an’ny taranja tsipy kanetibe. Lasan-dry zalahy ny lelavola sy ny amboara.

Norombahin’i Rija sy Yves ary i Jacky, mpilalaon’ny UBM Ambohitri­man­jaka ny lelavola 2 tapitrisa Ar miampy amboara teo amin’ny fifaninanana nanamarihana ny fisokafan’ny taom-pilalaovana 2025, taranja tsipy kanetibe. Fihaonana nokarakain’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM), notanterahina teny amin’ny Kianja Soamandrakizay, ny sabotsy sy alahady lasa teo.
Adin’ny samy UBM ny famaranana. Resin-dry Rija, tamin’ny isa 13 no ho 11, ry Donald sy Onja ary Zakabe. Nahitana endri-dalao mahafinaritra sady teknika ambony teo amin’ireo mpilalao na dia efa mifankahalala sy mifankazatra aza no nihaona. Mari­hina fa nahatafita ekipa telo niatrika ny manasa-dalana ity klioba UBM ity.
Ho an’ny vehivavy, lasan’ny ekipan’ny SBA, nahitana an’i Judicael sy i Hasina ary i Rindra ny laharana voalohany, rehefa nandavo an’i Ando, Angela, Tahina avy amin’ny C2BA. Niady hatramin’ny farany ny lalaon’izy ireo satria nisaraka tamin’ny isa tery, 13 no ho 12.
Ny ekipan’ny CBP indray no tompondaka teo amin’ny Jeunes, nisy an’i Nantenaina sy Tsiry ary i Ricka. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa 13 no ho 5 ry Clarito, Tsoa, Andry mpilalaon’ny C2BA.
Nanarina io faharesena indroa miantoana io kosa ity ekipan’i Vakinankaratra ity, teo amin’ny sokajy vétérans”. Lasan’i Dadah sy i Papasolo ary i Dezy ny 750 000 Ar sy ny medaly. Niondrika teo anatrehan-dry zalahy, tamin’ny isa 13 no ho 6, ny ekipan’ny CAI, nisy an’i Dô, Patrick, Zôzô.
Nahatratra 187 ireo mpifaninana teo amin’ny Senior, lehilahy, raha 30 ny vehivavy. Nisy 29 ny sokajy Jeunes ary 46 ireo zokiolona vétérans.

Tompondaka

Partager sur: