Trano fivarotana roa no notetezina andian-jiolahy. Mandeha amin’ny andiany samihafa izy ireo izay manodidina ny 14 lahy. Mirongo antsy lava avokoa ry zalahy.
Tao Tsarahonenana, carreau 4, ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy 17 marsa teo, jiolahy miisa folo no nanafika tokantrano iray. Notorahan’izy ireo vato aloha ny tafontrano. Nandre izany ny renim-pianakaviana iray ka nivoaka nijery ny zava-nitranga, tokony ho tamin’ny 2 ora maraina. Notifirin’ireo jiolahy tamin’ny pilotra ka voa teo amin’ny masony ilay ramatoa tompon-trano. Niditra tao amin’ny trano fivarotana ny enina tamin’ireo jiolahy, taorian’izay, raha niandry ny varavaran’ny manodidina kosa ny efatra ambiny, raha ny filazan’ny manodidina nahatsikaritra izany. Norahonan’ireo olon-dratsy niditra ny trano ily ramatoa efa difotry ny ra mijononoka amin’ny tavany mba hanome azy ireo ny vola rehetra tao an-tokantrano. Ny finday rahateo efa noraofin’izy ireo. Voatery nanome ny vola 3 600 000 Ariary izy, avy eo mbola norobain’ireo jiolahy koa ny entam-barotra. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa naharitra adiny iray sy sasany teo ireo jiolahy tao am-pivarotana.
Raim-pianakaviana tapa-tanana
Mbola tao amin’ ity fokontany Tsarahonenana, carreau 4, ity hatrany fa andian-jiolahy hafa mirongo antsy ihany koa no nanafika tao amin’ny tokantrano faharoa, tokony ho tamin’ny 1 ora sy 30 minitra maraina. Novakian’ireo jiolahy miisa efatra an-keriny ny varavaran’ity tokantrano fivarotana faharoa ity, raha ny angom-baovao hatrany. “Sady mamaky trano ry zareo no mandrahona fa raha miantsoantso eo dia hodorany ny trano”, hoy ny fitantarana. Nofirain’ireo jiolahy antsy avy hatrany ilay raim-pianakaviana niezaka niaro ny fananany ka tapaka ny tanany ary mbola notombohan’ireo jiolahy antsy ny lohany. Noraofin’ireo nahavanon-doza ny finday rehetra. Hatreto, mbola tsy fantatr’ireo niharam-boina izay totalin’ny vola tao am-pivarotana lasan’ireo jiolahy. Notaterin’izy ireo ihany koa ny entam-barotra.
Sajo