Efa mampiteny ny moana ny paikadin’ny mpangalatra any Toamasina. Ny alin’ny alatsinainy hifoha talata 18 marsa teo, nidiran’ny jiolahy ny tokotany roa tao amin’ny Cite Duplex any an-toerana. Nalain’izy ireo nandritra izany, ny baterian’ny fiara roa tavela tao. Tsy nokitihin’ireo jiolahy ny fiara iray sy moto efatra, quad roa tao amin’ireo toerana ireo.
Nopitsohin’ireo olon-dratsy ny vavahady vy, nandritra ny fotoan’ny orana nivatravatra tany an-toerana. Raha ny fidinana teny ifotony, trano tsy lavitry ny trano fonenan’ny prefektoran’ i Toamasina sy ny Konsily avy any amin’ny firenena vahiny iray ny toerana nitrangan’ny fanafihana. Ankoatra izay, toerana misy alika avokoa ireo toerana roa voatafika ireo. Tsy naheno feon’alika nivovo mihitsy anefa ireo tompon-trano sy ny manodidina nandritra ny alina nidiran’ireo olon-dratsy. Nambaran’ny fokonolona nanontaniana fa efa manakaiky sy manatona ny tranon’ireo olona ambony any Toamasina ny jiolahy amin’izao fotoana izao. Manara-maso ny mety ho fisian’ny camera de surveillance eny an-toerana kosa ireo olon-dratsy.
Sajo