Hiara-hiasa ny Oniversite malagasy sy ny Oniversite maraokanina. Nisy ny dinika momba izany teny amin’ny foiben-toeran’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny fiandohan’ny herinandro teo. Oniversite Euromed de Fès, Université Cadi Ayyad ary ny Université Mohamed V de Rabat no hifantohan’ny fifanarahana. Tafiditra anatin’ny fiaraha-miasa ny fanoloran’ny Université de Fès imprimantes 3D roa hampiasaina eto Madagasikara hampivelarana ny teknolojia vaovao. Ankoatra izay, efa mamarana ny famolavolana ny fifanaraham-piaraha-miasa koa ny Oniversite ao Vakinankaratra sy ny Oniversite Mohammed V de Rabat. Vonona hifanohana ny firenena roa tonta amin’ny fanomezana vatsim-pianarana ho an’ny Malagasy mpianatra sy ny fifanakalozana mpampianatra hizara fahalalana sy traikefa. Hotokanana any Rabat, ny volana novambra ho avy izao, rahateo ny masoivohon’i Madagasikara any Maraoka. Manaporofo ny fifanatonana bebe kokoa izany. Voaresaka avokoa ireo rehetra ireo nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Loulla Chaminah, sy ny masoivohontsika hiasa any Maraoka, Rajobson Johary Hoela.
Vonjy