Voalaza nandritra ny fivoriambe iraisam-pirenena faha-14 ny Firenena mikambana momba ny varotra sy ny fampandrosoana, (Cnuced), momba ny fitantanana ny trosa ireo paikady vaovao apetrak’i Madagasikara. Nitondra fanazavana mahakasika izany ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Misy, hoy izy, ny rafitra handrindrana ny trosam-panjakana (dette publique) izay tombanana ho 57,4% ny harinkarena faobe. Ho vaindohan-draharaham-panjakana ireo famatsiam-bola sy ny fampindramam-bola ho an’ny loza voajanahary.
Ankoatra izay, natsangana ny rafitra fifanarahana hampiasana ny vola mitentina 24,4 tapitrisa dolara hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Laharam-pahamehan’ny firenena ny fanamaitsoana ny tontolo iainana sy hanatsarana ny toekarena manga, hampitomboana ny famatsiam-bola. Nohamafisin’ny minisitra fa hohatsaraina ny fitantanan-trosan’i Madagasikara. Miantso ny fiaraha-miasan’ireo mpisehatra iraisam-pirenena ny tenany hanohana ny ezaka ataon’ny firenena malagasy.
Henintsoa H.