Nijery ny fizotry ny fanamboarana ny ampahany amin’ny lalam-pirenena faha-13, mampitohy an’i Taolagnaro sy Ambovombe, ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, sy ny mpiara-miasa aminy, ny herinandro lasa teo. Niaraka taminy koa ny solontenan’ny Vondrona eoropeanina, mamatsy vola ny fanamboarana ity lalana ity. Hita fa mandroso ny asa, izay efa vita hatrany amin’ny 70%. Mirefy 110 km ny lalana Taolagnaro-Ambovombe, hatao godirao. Mitentina 235 tapitrisa euros ny tetibidin’ny asa, ka vola indramina amin’ny Banky eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI), ny 120 tapitrisa euros, ary fanampiana vola tsy averina avy amin’ny Vondrona eoropeanina, ny 115 tapitrisa euros.
Nilaza ny minisitra Rafidison Richard, fa tsy mijanona eo Ambovombe ny fanarenana ny RN13. Eo am-pandinihana ny hikarohana famatsiam-bola amin’ny alalan’ny Vola miditra anatiny ho an’ny fanjakana (RPI), ka ny lalana Ikalamainty-Betroka no harenina. Tsiahivina fa nanokana vola 8 tapitrisa dolara ny Rio Tinto, orinasa renin’ny QMM mitrandraka fasimainty any Taolagnaro, ny volana febroary 2025 teo. Natao hanarenana ny lalana RN13 ao an-tampon-tanànan’i Taolagnaro io vola io, tafiditra ao anatin’ny Andraikitra raisin’ny orinasa eo amin’ny fiarahamonina (RSE).
Njaka A.