Madera Namontana: Lehilahy iray saika hangalatra sarona

Lehilahy iray tratran’ny fokonolona saika hangalatra sy hanendaka teny amin’ny fokontany Madera Namon­tana, omaly maraina. Hitan’ny olona nihaodihaody saika hanao ny asa ratsiny teny amin’ny manodidina ny lehilahy miisa efatra. Voalaza fa saika hanendaka sy hangalatra teny amin’ny manodidina izy ireo. Nenjehin’ny fokonolona ary tratra nandritra izany ny iray tamin’ireo olon-dratsy, raha toa ka tafaporitsaka kosa ny telo ambiny. Tezitra noho izany ny fokonolona, ka nampihatra ny fitsaram-bahoaka tamin’io lehilahy io. Tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana ny sefo fokontany. Nandray andraikitra nampiditra sy nitazona io lehilahy io teo anivon’ny fokontany avy hatrany mba hahafahana miaro ny ainy manoloana ny fahatezeran’ny fokonolona. Nambaran’ny sefo fokontany Madera Namontana fa tsy mponina teny an-toerana sy teny amin’ny manodidina io olon-dratsy tratra io fa avy any amin’ny toeran-kafa.
Misy mively amin’ny bois rond eny an-dalana ny ankamaroan’ny mponina, raha ny fanazavana voaray hatrany. Ambanan’ireo olon-dratsy amin’ny antsy ary alain’izy ireo ny entana sy ny zavatra eny aminy, rehefa mitolefika ilay lasibatra. Mihorohoro ny mponina satria efa faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana ny eny an-toerana, raha ny nambaran’ny mponina. Misy fiantraikany amin’ny asa fitadiavana sy ny fiainana andavanandro amin’ny ankapobeny izany zava-misy izany. An­gatahin’ny mponina ny ha­nasiana vaomieran’ny fandri­a­m­pahalemana eny an-toerana. Efa ahetsika miaraka amin’ny mpitandro filaminana ny vatan-dehilahy eny an-toerana.

Mino

Partager sur: