Namoaka taratasy fampahatsiahivana ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina. Mahakasika indrindra ny fanapariahana sary, horonampeo na horonantsary mikendry fanalam-baraka anaty tambajotran-tserasera, izay nisesy tato ho ato, izany. Mampahatsiahy fa melohin’ny lalàna momba ny ady heloka sy ny lalàna mifehy ny serasera amin’ny haino vaky jery ary ny lalàna mifehy ny heloka ana habaka izany.
Andro maneran-tany ho an’ny angano sy ny poezia. Hotanterahina ao amin’ny Ivokolo Analakely, ny 22 marsa izao manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny hetsika « Ny tontolo iainana ». Ahitana sy ahenoana angano, antsa tononkalo, vakodrazana ary teatra. Fantatra fa i Madagasikara no anisan’ny manana angano tsara fototra eo amin’ny fitaizana ny maha olona. Anisan’ireny ny « Ikotofetsy sy Imahaka », « Ibonia »…
Manana ny akony eo amin’ny fiainan’ny olona iray ny hitan’ny masony, ny ren’ny sofiny, sns. Saingy, hatramin’izao, mbola mila fitaizana maharitra ny Malagasy hahatsapany izany. Ny kolontsaina sy ny kolosaina malagasy, anefa, efa niaina tao anatin’io (vava miteny sy sofina maheno). Noho izany, misy anton-javatra niteraka io filam-pitaizana io.
Ho fanomanana ny fankalazana ny Alahamadibe, miantso fivorian’ireo mpikambana Zanadranavalona ny birao, izay hatao eo amin’ny Kianja Anosimanjaka, ny sabotsy 22 marsa amin’ny 3 ora hariva. Handinihina ny fandaminana ny hetsika rehetra amin’ny Alahamady faha-464 io, ka hiantsoana ny avy eo Anosimanjaka, Fiakarana, Andriantany, Namehana, Fenoarivo,sns.