Fandrobana Cash point iray tetsy Ambolokandrina Tsena, ny 5 marsa lasa teo. Voasambotry ny polisy avy amin’ny CSP2 omaly maraina indray ny jiolahy iray hafa nanatanteraka ny asa fandrobana tao amin’io Cash point io, raha toa ka tratra afakomaly hariva ny lehilahy tratra nisokitra ny sakaosy nisy vola mitentina 8 000 000 Ariary tao anatin’ilay toerana. Tratra teny Antohomadinika avokoa izy ireo. Mbola karohina kosa ny lehilahy iray hafa niray tsikombakomba tamin’izy ireo.
Lasan’ny jiolahy avokoa ny entana nentin’ny fiara iray nihazo an’Antananarivo avy any Toamasina, omaly maraina. Sakaosy miisa roa sisa no hita teo ambony tafo rehefa tonga teto Antananarivo ny fiara. Vokany, voatery nomena 100 000 Ariary isanisany avy ireo mpandeha tao anatiny mba ho solon’ireo entana very ireo. Tombanana ho nisy nangalatra tamin’ny lalam-pirenena faharoa iny ireo entana rehetra teny ambony tafo ireo.
Miha maro ny tanora tovolahy manao ny asan-dahalo amin’izao fotoana izao. Maro ny antony mahatonga izany, raha ny tatitry ny zandarimariam-pirenena. Efa misy ireo zanaka dahalo, lasan’ny dahalo ny ombiny dia mba maka koa izy. Misy ireo kamo hitàna angady sy hifototra amin’ny asa fambolena. Ny fananana naman-dratsy, ny fialonana. Eo koa ny mieritreritra fa tsy mahafaty ny migadra any am-ponja ka mamerina ny asa ratsy foana rehefa tafiala ny fonja sy ny maro hafa.
Nitrangana lozam-pifamoivoizana iray tetsy Mandrosoa Ivato, omaly maraina. Vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily ny antony nahatonga ny loza. Tafatory tampoka teny am-pitondrana fiara ilay mpamily rehefa avy nandrapaka paraky, raha ny fanazavana voaray. Vokany, nifatratra tany amin’ny moto sy sarety ary olona iray teny ampitan’ny lalana nandehanany ny fiara.