Vonona hamatsy vola hanarenana ny tetezan’Ifasy sy Mahavavy (RN6) ny Banky iraisam-pirenena. Eo am-pandinihana ny fomba hanatanterahana azy, miaraka amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny Antokondraharaha misahana ny lalana (Agence routière), ny orinasa Colas ary ny Banky iraisam-pirenena.
Anisan’ireo firenena telo ho fitaratra i Madagasikara amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina. Miaraka aminy koa i Gambia sy Botswana. Voakasik’izany ny tetikasa Afretrap, tarihin’ny Vondrona afrikanina. Harafitra ny tondrozotra nasionaly hamaritana ny dingana sy fepetra hialana amin’ny fampiasana angovo mamoaka entona manimba tontolo iainana.
Vonona hanaja ny fitsipika mifehy ny mpitondra lakana ho an’ny mpizahatany any Sainte-Marie. Anisan’izany ny fanatsarana ny fikambanan’izy ireo, ny fampiharana ny lafiny aro loza mba hiantohana ny fitsangantsanganan’ny mpizahatany, ny fananana karatra fahazoan-dalana amin’ny maha mpitaridia ambony ranomasina azy ireo, ny fandoavana patanty, sns.
Miisa 6 ny fikambanan’ny tantsaha nahazo fitaovana sy kojakojam-pamokarana any Fenoarivo Atsinanana sy Vavatenina, faritra Analanjirofo. Voakasik’izany ny fambolem-bary sy ny fiompiana trondro, ka nizarana motoculteurs, fitotoam-bary, fanamboarana sakafon-trondro, broety, …, masomboly vary, zezika NPK, provandy ho an’ny trondro, sns.