Bapampa GladyBe : « Ho sehatra goavana ny antsasaky ny lapa”, hoy i Rossy

Sehatra 250 m², misy rihana 5 mameno ny haavo 15 m. Tsy mbola nisy toy izany aloha tao amin’ny Lapan’ny kolon­tsaina sy ny fanatanjahantena. Anisan’ny hampiavaka ny « Bapampa Glady Be » io.

«Efa an-taonany maro ny tarika Rossy no tsy nanao fampisehoana teto Antana­narivo Renivohitra. Niandry foana izay mpikarakara mahazaka ny anaty atidohako ao aho…”, hoy ny nambaran’i Rossy, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny La City Ivandry. Ankehitriny, feno amin’ izay ny fepetra ka raikitra ny hetsika goavana voalohany: “Bapampa GladyBe”. Seho roa, ny zoma 28 marsa sy ny alahady 30 marsa izy ity, samy ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina.
“Tonga ny fotoana satria efa ireo ny mahavita azy amin’ ny resaka fitaovana sy fanamafisam-peo raitra. Efa mahavita mitovy amin’ny any ivelany isika, ary hiara-hiasa amin’ ireo ngeza indrindra ny tarika Rossy. Efa nandalo ny “Bal kabaosy, ny “Tomany ny angorodao”, ny “Vakisaova”, dia efa avy niteny an’i Madagasikara sy izao tontolo izao ihany koa ny “Bapampa Be”, afa-tsy ny teto Antananarivo. Ho ngeza indrindra no hiseho mandritra ireo roa andro ireo”, hoy ny fanazavan’i Rossy.
Notsindriany manokana fa ny tarika Rossy iray manon­tolo no ho eo, hampian’ireo namana mpitendry sy mpihira ary ireo mpanakanto nasaina manokana homem-bonina­hitra amin’ireo seho roa ireo. “Hiran’ny tarika Rossy manontolo ny 95 %. Homem-boninahitra kosa ireo olona niana­ranay ny mozika. Misy ny efa vita, misy ireo efa lasa, fa ireo azonay nantsoina aloha dia ho avy eo. Izahay tarika Rossy no hitendry ny hirany, fa hason­gadinay kosa ry Ejema, Oza Jerôme, Tianjama, Basth, Charles Martin, Zopanage, sns. Nantsoiko koa hiara-mitendry sy hihira ireo namana toa an-dry Proshely, Mamibe, Goth­lieb, mba hampiavaka izany”, hoy hatrany ny fanazavan’ity mpanakanto ity.
“Efa herintaona no nanomananay ity fiarahana ity, taorian’ny “RDJ Mozika 2023”. Nomena mari-pankasitrahana manokana ny tarika Rossy tamin’izany, ary tohin’izay ireo seho ireo. Tena hoe ny hanatontosa seho tsy mbola nisy, mendrika ny mpanakanto nametraka ny anarany toa an’i Rossy no tanjona”, hoy Raso­lojaona Tahiana, tale jenera­lin’ny RDJ sady lehiben’ny komity mpikarakara.
Nanararaotra nanipy teny kely ho an’ireo mpikarakara fampisehoana any ivelany i Rossy: “antsoy izahay, alaivo izay efitrano lehibe toy ny Zenith dia ataovy tsara ny fikarakarakana fa raha tsy feno mpijery izany, haveriko ny volanareo”, hoy ny fanamby lehibe nataon’ity mpanakanto ity. Nohamafisiny ihany koa fa tsy miresaka politika intsony izy, ary miantso ny rehetra izay mpankafy ny mozikany amin’ireo fotoana roa ireo.

Zo ny Aina

Partager sur: