Nandray ny delegasionin’ny Banky iraisam-pirenena ny filohan’ny Repoblika, afakomaly, teny Iavoloha. Voaresaka tamin’izany ny momba ny fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny angovo.
Nitarika ny delegasionin’ny Banky iraisam-pirenena ny talem-paritra misahana ny fotodrafitrasa, i Wendy Hughes. Voaresaka teo aminy sy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny nanaovana jery todiky ny fiaraha-miasa. Nohamafisin’ireto delegasionina avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ireto ny fanohanany hatrany ny fitondram-panjakana. Anisan’izany ireo tetikasam-panjakana momba ny sehatry ny angovo sy ny lafiny fitaterana.
Etsy andaniny, nankasitrahin’ity talem-paritry ny Banky iraisam-pirenena ity manokana ny fifanarahana nasionaly momba ny angovo natolotr’i Madagasikara nandritra ny fihaonana an-tampony momba ny angovo tany Dar es Salam. Anisan’ny noresahina nandritra izao fihaonana izao koa ny fomba mahomby hanatanterahana izany.
Nanterin’ireto iraka ireto ny fanohanany ireo tetikasa mifantoka amin’ny famoronana asa. “Miainga avy amin’ny fampiroboroboana ny fotodrafitrasa eo amin’ny sehatry ny famokarana angovo sy ny fitateram-bahoaka an-tanàn-dehibe izany”, hoy ny filoha Rajoelina Andry.
Olona 300 tapitrisa aty Afrika
Nanteriny fa efa mazava sy mitombina ary azo hirosoana ny fanatanterahana ny paikady rehetra efa napetraka tamin’ireny fihaonana an-tampony momba ny angovo ireny.
Tsiahivina fa natao tany Tanzania, ny janoary teo, ilay fihaonana an-tampony “Mission 300” ka nifanarahan’ireo firenena afrikanina ny hijerena ny tontolon’ny angovo “Pacte africain pour l’énergie”. Mikendry ny hanomezana herinaratra ho an’olona 300 tapitrisa aty Afrika hatramin’ny taona 2030 izany, ka anisan’ny hisitraka izany i Madagasikara.
Synèse R.