Efa mikendry sy mijery ny lavitra kokoa. Notanterahina nandritra ny roa andro, tao amin’ny Lapan’ny faritra Anosy, ny momba ny fanavaozana ny drafi-panajariana. Nambaran’ny tomponandraikitra nikarakara sy nisahana izany fa tonga amin’ny dingana manan-danja amin’ny fanavaozana ny drafi-panajariana ny drafitra (Srat) ny any Anôsy amin’izao fotoana izao. Anisan’ny nitarika izany fivoriana izany ny avy amin’ny komity rejionaly misahana ny fanajariana ny tany (Crat). Tahaka izany koa ireo mpisehatra rehetra eo anivon’ny faritra, manoloana izao fandrafetana ny vina stratejika ho an’ny drafi-panajariana izao.
Nambaran’ireo mpivory tamin’izany fa anisan’ny tanjona ny hamaritana ireo asa fanorenana sy fandaminana laharam-pahamehana ho an’ny 20 taona ho avy. Tafiditra ao anatin’izany ny fandaminana araka ny fotoana sy ny toerana, ka mifanaraka amin’ny vina napetraky ny eo anivon’ny Crat.
Nitarika izao atrikasa izao ny eo anivon’ny faritra, amin’ny alalan’ny sekretera jeneraly. Nanampy sy nanohana izany ireo ekipa ara-teknika avy amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). “Mariky ny fandrosoana mankany amin’ny fampandrosoana mirindra sy maharitra ho an’ny faritra izao fihaonana sy atrikasa natao izao”, hoy izy ireo.
Synèse R.