Mbola malalaka ny asa miandry ireo mpisehatra ara-tsosialy eto Madagasikara. Manana andraikitra voalohany amin’ ny fampandrosoana ny firenena izy ireo.
Nankalazaina afakomaly, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpisehatra ara-tsosialy. Nomarihin’ izy ireo tamin’ny alalan’ny hetsika samihafa izany. Anisan’ny nanao hetsika mahakasika izany ny teo anivon’ny sekoly ES.DES tetsy Ankadivato. Nisy ny famelabelaran-kevitra sy ady hevitra niarahan’ny mpampianatra sy ny mpianatra niresahana ny asa sosialy. Ankoatra izay, nanatanteraka asa sosialy teny anivon’ny fokontany Ankadivato ireo fikambanan’ny mpianatra. Nisitraka fanampiana, nandritra izany, ny mponina sahirana teny an-toerana.
“Olana tsy mampandroso ny firenena ny tsy fijerena ny resaka asa sosialy satria mbola marobe ireo olona sahirana ara-pivelomana, tsy manana asa sy ny maro hafa”, hoy i Manjaka Rakoto David, tale jeneralin’io sekoly io. Mifanohitra tanteraka any
amin’ny firenena mandroso izany satria manampy ireo olona sahirana ireo ny fanjakana. “Manana mpiantsehatra ara-tsosialy maro i Madagasikara, manan-danja sy manana anjara andraikitra amin’ny fampandrosoana ny firenena izy ireo”, hoy hatrany izy ireo. “Mbola malalaka ny asa sosialy eto Madagasikara, ahitana sokajy telo ny asa miandry azy ireo.
Eo ny mpanentana eny anivon’ny fiarahamonina, ny Assistante sociale izay manampy amin’ny famahana ny olana sedrain’ny olona. Farany, ny mpanabe eny anivon’ny fiarahamonina, izay tena zava-dehibe ahatongavana amin’ny fampandrosoana ny firenena”, hoy kosa Rakotozanany Hervé, mpanabe.
Mino