Hankalazaina nanomboka ny 10 hatramin’ny 23 marsa ny Herinandron’ny vola na “Global Money Week (GMW)”. Lohahevitra noraisina ny « Aza manaraka ambokony, ampiasao am-pahendrena ny volanao ».
Misy ny hetsika manokana, « Salon GMW 2025 », atao etsy amin’ny tokotany malalaka Havoria Anosy, ny 19 hatramin’ny 21 marsa. Mikarakara azy ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) sy ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF). Mandray anjara ao ireo mpisehatra amin’ny rafitra ara-bola, ny orinasam-piantohana ara-bola, ny sampandraharaha ara-bola elektronika, ny fikambanan’ny matihanina, ny ONG, ny Fintech*, ny fitahirizam-bola.
Misy ny famelabelaran-kevitra samihafa, toy ny fitahirizam-bola, ny dingana amin’ny famatsiam-bola, ny fandraharahana ho an’ny vehivavy, ny fiantohana tena ilaina sy ny momba ny toetr’andro, ny Fintech, ny fandraharahana ankapobeny, ny fanabeazana ara-bola sy ny faharanitan-tsaina artifisialy na « Intelligence artificielle » (IA), sns.
Fanaraha-maso
Nohazavain-dRanaivoson Seheno, sekretera jeneralin’ny Vaomiera mpiahy ny banky sy ny ara-bola (CSBF) ao amin’ny Banky foiben’i Madagasikara, fa natao ity hetsika ity hahalalana ireo orinasa sy mpisehatra ara-bola rehetra misy eto amintsika. Satria, izany dia fomba iray hanaraha-maso azy ireo, manoloana ny firongatry ny fanararaotana ny Malagasy amin’ny tolotra tsy ara-dalàna, toy ny fampindramam-bola tsy mazava na fisolokiana amin’ny tambajotra sosialy, sns.
Nambaran’ny tomponandraikitra ao amin’ny orinasa Yas, Raharimanjato Elie, fa manohana ny “GMW 2025” izy ireo, satria tanjona ny hampiroboroboana ny fanabeazana ara-bola, indrindra ho an’ny tanora.
Njaka Andriantefiarinesy
*Fintech : « Finance & Technology », ilazana ireo orinasa manohana ny tetikasa vao misandratra (Start Up), misehatra amin’ny teknolojia niomerika amin’ny lafiny ara-bola sy ny banky. Ao anatin’izany ny famatsiam-bola ny orinasa amin’ny alalan’ny internet, ny fitantanana ny fitahirizam-bola, ny fampindramam-bola, sns.