INDRAY MIJERY

Mangataka fiaraha-miasa amin’ny mpanabe sy ny tomponandraikitry ny sekoly hiara-hitolona hamongorana ny herisetra an-tsekoly eto Madagasikara ny fikambanana Psy-kôzy Madagascar. Tokony hahatsapa ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ary ny mpanabe fa zava-doza ny herisetra an-tsekoly. Fikambanana tsy miankina niforona ny febroary 2021 ny Psy-kôzy, mifo­totra amin’ny fikarakarana ny fahasalaman’ny saina, ahitana mpianatra amin’ny lalam-piofanana psychologie, psychiatre, mpitsabo ny aretina ankapobeny.

Nanolotra fanampiana hanatevenana ireo kojakoja entina miatrika ny rivodoza sy ny fiakaran’ny rano ny Impérial brands Madagascar sy ny PSHP, ahi­tana « bidon jaune » miisa 400, fanadiovan-drano 200 isa ary savony 200 bara. Natao tetsy amin’ny birao foiben’ ny BNGRC ny fifanolorona ireto fanampiana ka norai­sin’ny talen’ny CERVO.

Ho fanampiana ireo olona mitady asa, ny DFCRC eo anivon’ny DGPE dia manolotra fampiofanana mahakasika ny teknika amin’ny fomba fitadiavana asa sy ny paikady fiatrehana ny mpampiasa. Ao amin’ny DFCRC, Bâtiment annexe MTEFoP, 67 Ha, varavarana faha-6 no handraisana ireo maniry ny hiatrika ny fiofa­nana.

Tombanana ho betsaka ny rotsakorana any amin’ ny faritra avaratra atsinanan’ny Nosy noho ny rahom-baratra mitoetra manakaiky ny morontsiraka. Voakasik’ izany ny any Sambava, Antalaha, Ste Marie ary ny moron­tsirak’Ambatosoa sy Analanjirofo. Mahazo fampitandremana miloko mavo ireo faritra ireo.

Partager sur: