Jly Ravalomanana Richard : “Aoka hotandrovina ny soatoavina”

Nandray ireo solontenan’ny foko 18, avy any amin’ny distrikan’i Tsiroanimandidy sy Fenoarivobe, ny filohan’ny Antenimie­randoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Nirary soa ireo mpikambana hahavita be amin’ny adidy aman’andraikitra sahanina ho an’ny firenena ny tenany. Teo koa anefa ny hafatrafatra nampitainy. “Tokony hanana toe-tsaina mandala ny firaisankina sy mitandro ny soatoavina malagasy isika. Tokony hialana ny toe-tsaina ory hava-manana”, hoy izy tetsy Anosy, afakomaly. Nanteriny fa tokony hotandrovina hatrany ny fihavanana ary hifanohana na samihafa fiaviana aza, araka ny nambarany.
Nampahafantarin’ireto solontenan’ny foko 18 avy any Bongolava ireto, tamin’izany, ny hiarahan’izy ireo mankalaza ny taombaovao malagasy, hotanterahina ny sabotsy 29 sy ny alahady 30 marsa izao ka nanasan’ny fikambanana ny filohan’ny Antenimierandoholona ho avy any an-toerana.
Nitarika azy ireo tamin’izao fihaonana izao ny ben’ny Tanàna teo aloha, ao amin’ny kaominina Miandrarivo, distrikan’i Tsiroanomandidy, Rajaonarivony Jocelyn. Tsy nisalasala izy ireo nanatona ity lehiben’Andrimpanjakana ity amin’ny maha solontenan’ny vondron-draharaha ara-tsosialy sy ara-toekarenan’ny Antenimierandoholona. “Tonga izahay hifanakalo hevitra amin’ny raiamandreny”, hoy izy tamin’izany.

Synèse R.

Partager sur: