Kaominina Toamasina : Hiandrandra fanovana ao anatin’ny dimy taona manaraka

Anisan’ny fanamby napetraky ny ben’ny Tanàna voafidy ao amin’ny tanànan’i Toamasina ny hitondra fanovana goavana any an-toerana ao anatin’ny dimy taona manaraka. Fantatra ireo nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana notanterahin’izy ireo, ny herinandro lasa teo.

Niatrika filankevitra kaominaly tsy ara-potoana fanindroany ireo mpanolotsain’ny Tanàna miisa 19 mianadahy avy amin’ny vovonana Irmar, izay mpiray lisitra amin’ny ben’ny Tanàna voa­fidy, ny mpitsara Andriafa­nomezantsoa Lovaheritiana Alain. Manodidina ny valo ireo avy amin’ny MTS sy ny firaisankina, raha samy manana lisitra iray avy ny amin’ny tsy miankina. Notanterahina tany an-toerana, nanomboka ny
11 hatramin’ny 13 marsa lasa teo, ny fivoriana.
Tsy maintsy hotratrarina ny tanjon’ny filoham-pirenena amin’ny maha kandidà voafidy azy amin’ny avy amin’ny vovonana Irmar. « Tsy tratra anefa izany raha tsy misy ny fiaraha-miasa amin’ny mponina any Toamasina sy ireo mpanolo­tsaina », hoy ny ben’ny Tanàna voafidy, ny mpitsara Andriafa­nomezantsoa Lovaheritiana Alain. « Ezaka atao ny hampitovy ny fomba fijery mba ha­nasoavana ny tanàna hatrany ifotony », hoy hatrany izy. Etsy ankilany, nilaza ny fahavononany amin’ izany ireo mpanolotsaina miisa 19 mianadahy nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana faharoa nataon’izy ireo. Nolanian’izy ireo koa ny volavolan-dalàna maro natolotry ny mpanatanteraka. Ani­san’izany ny fampiakarana ny saran’ny fanaovana sora-piakohonana, ny hametrahana fiantsonana ho an’ireo fiara sy moto eny amin’ny Boulevard Ratsimilaho. Eo koa ny fanavaozana ny fomba fisitrahana rano. Toy izany koa ny fanafoanana ny famokarana posy vaovao ary hasiana fanovana ny laharana ho an’ireo posy tsirairay. Famerenana ny mpivarotra ho any anatin’ny tsena, mba tsy hivarotra amoron-dalana intsony. Ny fametra­hana rafitra hanara-maso ny fahadiovana sy fidiovana momba ny tanàna eny ani­von’ny fokontany ihany koa.

Hirosoana ny tsena
manara-dalàna

Hapetraka ny maha tsena ara-dalàna ireo mpivarotra rehetra any an-tanànan’i Toa­masina. Tanjona ny hahafahana mampiditra hetra anatin’ny kitapombolan’ny kaominina. “Manoloana izany, tsy azo ekena intsony ny fivarotana ivelan’ny tsena, amoron-dalana, izay betsaka ny manao azy satria natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra ny sisin-dalana”, hoy ny ben’ny Tanàna voafidy. Etsy ankilany, anisan’ny tsena na varotra tsy manara-dalàna ny varotra mandehandeha eny ambony kalesa, raha ny nambarany. Tsy mandoa hetra ireny ka hapetraka ny lamina mba handoavan’izy ireny hetra ho an’ ny kaominina. Nohamafi­siny fa tsy vitan’ny tsy mandoa hetra izy ireny fa antony mahatonga ny fitohanana eo amin’ny fifamoivoizana ihany koa. Tanjona ny hisian’ny tsena manara-dalàna izay antoky ny filaminana. “Raha tsy milamina ny tsena, mirongatra ho azy ny asan-jiolahy amin’ny fanen­dahana sy harom-paosy, ary indrindra ny fivarotana zava-mahadomelina”, hoy izy nanamafy. Samy manantena sy miandrandra fiaraha-miasa sy fiaraha-mientana ny rehetra mba hahatonga ny renivohitry ny faritra Atsinanana handroso ara-toekarena ao anatin’ny dimy taona manaraka.
Manoloana ireo fanapahan-kevitra noraisina ireo, isan’ andro ny fidinana ifotony isam-pokontany ataon’ny kaominina, mba hahafahana manatratra ireo tanjona napetraky ny kaominina. Atomboka amin’ny fanovana ny toe-tsaina eo amin’ny tsirairay ny fanovana apetraka.

Apetraka ny paikady

Mirongatra ny haintrano any Toamasina, hita sy tsapa ho sahirana ny mpamonjy voina eo am-panatanterahana ny asany. Manoloana izany, mila apetraka ny paikady vaovao entina hanatsarana ny fomba fiasa. Voalohany ny fanokafan-dalana, izay sakana ho amin’ny fidiran’ireo fiarabe mpamonjy voina matetika. Ankoatra izay, apetraka ny lalàna ahafahan’ny hafa mivezivezy ary asiana lalana hidiran’ny fiaraben’ny mpamonjy voina any anaty elanelan-trano. Hitarina ny lalankely eny anelanelan-trano any an-toerana, iaraha-miasa amin’ny sefo fokontany.

Matotra ny fiaraha-miasa

Hatreto, azo tarafina ho matotra ny fiaraha-miasa eo anoloan’ny samy mpanolotsaina eo anivon’ny kaominina an-drenivohitr’i Toamasina. Na dia eo aza ny fifangaroan’ny antoko politika amin’ireo mpanolotsaina any an-toerana. Raha atambatra, miisa 10 ny mpanohitra ary sivy ny avy amin’ny fanohanana ny fitondrana. Ankoatra izay, hita taratra sahady ihany koa ny fahavononan-dRasolonjatovo Fidel, voafidy teo anivon’ ny antoko politika Tim. Izay nirotsaka tamin’ny anaran’ny kandidà tsy miankina ary tokana eo anivon’ny filankevitra kaominaly ho filoha lefitra izy. Hatramin’izao, hita ho matotra ny fiaraha-miasa ary samy milaza fa hitondra fanovana goavana ho an’ i Toamasina izao fiaraha-miasa izao.

 

Partager sur: