Manerana ny tobim-pahasalamana : “Service minimum” ny an’ny paramedicaux, anio

Haneho firaisankina ny paramédicaux rehetra manerana ny Nosy, anio tontolo andro, araka ny toromarika sendikaly tarihin-dRakotoa­lison Armand. “Service minimum” ihany no hatao amin’ ireo tobim-pahasalamana rehetra, na hopitaly na CSB. Fanairana ny fanjakana fa an-jorom-bala izy ireo ary maro ny zony tsy azo, misy maha­rary ny tontolon’ny paramedy.

“Niaraha-nahita ny fahafatesana rasazy tamina fomba feno habibiana, fandorana tobim-pahasalamana namoizana ainan’ny rasazy… Mati­maty foana ireny namanay ireny”, hoy ny sendikan’ny para­medy.
Ankoatra ireo, ny fanagadrana infirmiera sy rasazy manao ny asany, ny famindran-toerana tsy am-piheve­rana…

Efa maro ny fanatonana ireo tomponandraikitra hamahana ireo karazan’olana saingy antso an’efitra izany hatreto ka misy fetra ny fiandrasana. Efa nandefa taratasy tamin’ ireo an-tanantohatra rehetra hatrany amin’ny praiminisitra sy ny minisitry ny Fahasala­mam-bahoaka kanefa tsisy setriny.

Izany indrindra no anton’ ny hetsika fanairana ataon’ ireo paramédicaux, misy ny infirmiera sy ny rasazy, hiray feo, hanambatra hery, haneho amin’ny fitondram-panjakana fa misy zavatra tokony hare­nina. Misy aretina tokony hositranina mihitsy aloha haha­fahana manohy ny asa fitsaboana izay ataon’izy ireo.

Tatiana A

Partager sur: