Mahatratra 7 tapitrisa litatra isan-taona ny ronono miditra ao amin’ny orinasa Socolait. Miara-miasa amina mpiompy manodidina ny 3 000 sy mpanangom-bokatra miisa 8 izy. Mifandray mivantana amin’ireo mpiompy kosa ireo mpanangom-bokatra 150. Orinasa malagasy anisan’ny mamokatra sy manana vokatra maro ny Socolait. Mampidi-bola amina tokantrano maro izy no sady manome asa ny tanora ary koa manandratra ny vokatra vita avy eto an-toerana.
Tonga nitsidika ny orinasa Socolait, tao Antsirabe, ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David, ny zoma teo. Nandalovan’ireo ekipa notarihany koa ny toeram-piompiana Farm, anisan’ny mpamatsy ronono ny Socolait. Tanjona ny hijerena akaiky ireo mpamokatra eto an-toerana mba hahafahany mivelatra. “Laharam-pahamehana ny fiarovana ny orinasa malagasy hahazoany misitraka izay tandrify azy ary mizara koa ny harena eo amin’ilay seha-pihariana”, hoy ny minisitra.
Avy any ivelany
Notsiahivin’ny minisitra fa: « hita ny lalana haleha ». Manana fitaovana hiarovana ny orinasa sy ny vokatra eto an-toerana isika manoloana ny fibosesiky ny entana avy any ivelany. Azo atao ny mampihatra ara-drariny ny fepetra famerana fanafarana avy any ivelany ny Antokondraharaha misahana ny fepetra fanitsiana ara-barotra (ANMCC). Ny birao izay eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra.
Henintsoa Hani