SOMBIM-BAOVAO

Nodimandry omaly, maraina, ny mpanazatran’ny klioban’ny Elgeco, taranja baolina kitra, ny Coach Blaise, araka ny loharanom-baovao. Raha ny vaovao voaray, nitambotsitra noho ny fahazoana fandresena tamin’ ny lalao baolina kitra, ny alahady lasa teo, no nitarika tamin’izao fahafatesany izao.

Mamaram-parana ny fiofanana ataony, eo amin’ny taranja Muay Thai, amin’ity herinandro ity, ny Tale Teknika nasionalin’ ny federasionina malagasy ny Muay Thai, Maitre Razanajatovo Gildas. Ao anatin’ny fanadinana izy amin’izao ary eo am-piandrasana ny mari-pahaizany. Ny fiandohan’ny volana avrily izao izy no higadona eto an-tanindrazana.

Nanao fampitam-baovao ny federasionina malagasin’ ny Volley ball fa hisy ny fitiliana ireo tanora mpanao Volley anaty efitrano manerana ny Nosy, 14 hatramin’ ny 17 taona, hitsongaina izay handrafitra ny ekipa nasionalin’ny volley ball, handray anjara amin’ny andiany faha-13 amin’ny CJSOI hatao any Seychelles.

Hatao ny 22 marsa izao, eny amin’ny Mining Business Center Ivato, ny fiadiana ny tompon­dakan’Analamanga “Big Tana”, taranja Bodybulding. Avy hatrany dia hitohy amin’ ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara izany, ny sabotsy 29 marsa. Efa nahavita ny fifaninanana avokoa ny ankamaroan’ny ligim-paritra manerana ny Nosy.

Partager sur: