Fitambaran’ny fitsipika sy ny fepetra ary ny didy natao handaminana fiarahamonina iray ny lalàna. Ny fiarahamonina izany no tokony hanao ny lalàna. Mety miainga amin’ny olona fidina na solontena eo anivon’ny fiarahamonina izay manao ny lalàna izay. Tamin’ny fiarahamonina ifotony taloha, ohatra: ny raiamandreny no manao ny lalàna. Taty aoriana, ny mpitondra sy ny mpitantana. Amin’ny ankapobeny, rehefa miteny hoe lalàna: tafiditra ao anatin’ny lalàna avokoa hatramin’ny fitsipika madinidinika amin’ny fiainana andavanandro, ohatra. Na izay heverina hanatsarana ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena, lalàna avokoa ny fiteny azy.
Misy ambaratonga
sy karazana ny lalàna
Misy ambaratonga ny lalàna, arakaraka ny mpanapa-kevitra ny amin’izany. Raha raisina any amin’ny farany ambony: eo ny lalàmpanorenana. Misy koa ny lalàna tapahina amin’ny alalan’ny fitsapankevi-bahoaka. Tsy misy loatra izay eto Madagasikara, fa efa nisy karazan’izay tamin’ny taona 1998, ohatra, raha ny fanazavan’ny mpahay lalàna iray. Nisy ny lalàna noraisina tamin’ny alalan’ny fitsapankevi-bahoaka. Nefa lalàmpanorenana ihany izay tamin’izany, fa fanitsiana lalàmpanorenana.
Manaraka ny lalàmpanorenana ny lalàna fehizoro. Avy eo, ny lalàna tsotra; ny didy hitsivolana, izay avoakan’ny filohan’ny Repoblika amin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra fa tsy mandalo parlemanta; ny didim-panjakana; ny didim-pitondrana izay avoakan’ny lehiben’ny sampandraharaham-panjakana: prefet, lehiben’ny distrika, ben’ny Tanàna… Amin’ny ankapobeny, raha fanapahan-kevitra ao anatin’ny Andrimpanjakana na rafitra entiny, didim-pitondrana no raisin’ny filohan’Andrimpanjakana; eny, na ny filohan’ny Repoblika aza. Ankoatra an’ izay, milahatra ny karazana fanapahana, toromarika, dina…
Fanazavana ny lalàna izay ao anatin’ny ambaratonga amin’ny fenitra ny fanaovan-dalàna ihany izay lazain’ny olona sasany hoe didy fampiharana. Tsy misy izay sokajy izay amin’ny lalàna: tsy hoe lalàna na didy mitokana ny fampiharan-dalàna.
Manaraka dingana ny famoahana lalàna
Miainga avy amin’ny mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena na Antenimierandoholona ny lalàna, raha tolo-dalàna, ohatra. Alefan-dry zareo any amin’ny governemanta izay tolo-dalàna izay, hanomezany soso-kevitra raha misy. Aorian’izay, mandeha ny fandinihana sy fandaniana azy eo anivon’ny Antenimiera roa tonta. Rehefa lany avy eo izany, alefa any amin’ny filohan’ny Repoblika ho fampahafantarana. Ny filohan’ny Repoblika indray no mandefa izany any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), hamarinina raha mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana na tsia. Miverina any amin’ny filohan’ny Repoblika izany rehefa mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana. Na miverina any amin’ny Antenimiera roa tonta hanitsiana izay tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana, araka ny hevitry ny HCC; na tsy avoaka manontolo; na tsy avoaka izay tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana sady tsy mila fanitsiana. Ny sonian’ny filohan’ny Repoblika amin’ny fankatoavana ny lalàna no fampanjariana azy ho manankery, ary izay koa ny mitondra ny datin’ny lalàna iray.
Aorian’izay, avoaka amin’ny Gazetim-panjakana ny lalàna. Nefa misy koa ny avoaka amin’ny haino aman-jery na kabary dia manankery avy hatrany ny lalàna iray, raha misy ny hamehana, ohatra. Miainga any amin’ny fahefana mpanatanteraka kosa ny volavolan-dalàna. Aroso any amin’ny Antenimiera roa tonta hodinihina sy holanina izany. Avy eo, mitovy ary manaraka ny dingana toy ny amin’ny tolo-dalàna ihany. Tsy maintsy mandalo any amin’ny HCC ny lalàna sy ny fitsipika anatiny mifehy ny Antenimiera roa tonta.

Manokana ny famoahana didy hitsivolana
Rehefa tsy misy ny parlemanta na tsy manao fivoriana na ara-potoana na tsia na noho ny hamehana: didy hitsivolana na hitsivolana no avoakan’ny filohan’ny Repoblika avy hatrany. Voafaritry ny lalàmpanorenana ny fotoana ahazoana mamoaka didy hitsivolana: ao anatin’ny fotoana misy hotakotaka, ohatra; raha tapitra fotoam-pivoriana na tsy ao anatin’ny fotoam-pivoriana ny parlemanta, nefa misy lalàna tokony havoaka. Afa-manome fahefana ny filohan’ny Repoblika ny parlemanta hamoaka didy hitsivolana amin’izany. Voafetra ny ahazoan’ny filohan’ny Repoblika mamoaka didy hitsivolana, raha ny lalàmpanorenana malagasy amin’izao fotoana izao.
Amin’izany rehetra izany, ny hoe Fanjakana tan-dalàna: rehefa miezaka manaraka sy mampihatra ny lalàna misy ao amin’ny ambaratongam-pahefana rehetra sy ny vahoaka manontolo ao anatin’ny fanjakana iray. Miainga amin’izay voasoratra amin’ny lalàna ny fanapahan-kevitra rehetra raisina. Izay ilay hoe tsy misy ambonin’ny lalàna.
Notontosain’i R. Nd.
Hoy izy ireo
“Ny lalàna malefaka loatra dia tsy arahina, ny lalàna henjana loatra dia tsy ampiharina”. Benjamin Franklin
“Andevon’ny lalàna isika mba ho afaka.” Cicéron
“Ny fomba amam-panao dia azo antoka kokoa no ho ny lalàna.” Euripides
“Ny fitsipi-pitondran-tena no mifehy ny olo-marina, ny lalàna no mifehy ny olon-dratsy”. Ohabolana sinoa
“Misy fomba roa enti-miady, ny iray amin’ny lalàna, ny iray amin’ny hery. Ny voalohany manokana ho an’ny olombelona, ny iray hafa iombonana amin’ny biby.” Nicolas Machiavel
“Mila hazavaina amin’ny lalàna ny tantara, ary ny tantara amin’ny lalàna.” Montesquieu
“Ny tsy fanaovana herisetra dia ny lalàn’ny karazana misy antsika tahaka ny herisetra lalàn’ny mpihetraketraka.” Gandhi
“Tokony hanana fahefana amin’ny olona ny lalàna, fa tsy olona amin’ny lalàna.” Pausanias