Efa navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny tetiandrom-pampianarana ho an’ny taom-pianarana vaovao 2025-2026, ny volana febroary lasa teo. Hanomboka ny 8 septambra 2025 ny taom-pianarana ary hifarana ny 25 jona 2026. Notazonina ho roa volana dimy ny fizarazarana, elanelanin’ny fiatoana fohy, herinandro iray ankoatra ny fialantsasatra ho an’ny Noely sy ny Paka. Hosantarina ny 8 septambra ny roa volana voalohany ary hifarana ny 24 oktobra. Hisy fitsaharana ny 25 oktobra hatramin’ny 2 novambra 2025. Miditra amin’ny roa volana faharoa ny 3 novambra hatramin’ny 19 desambra. Miroso amin’ny fialantsasatra ho an’ny Noely ny 20 desambra hatramin’ny 4 janoary 2026.
Roa volana fahatelo no hatrehin’ny mpianatra manomboka ny 5 janoary 2026 hatramin’ny 20 febroary. Andron’ny sekoly ny 18 febroary hatramin’ny 20 febroary. Ny 23 febroary vao mitohy amin’ny roa volana fahefatra hatramin’ny 27 marsa. Fialantsasatry ny Paka ny 28 marsa hatramin’ny 8 avrily. Mamarana ny roa volana fahadimy farany ny mpianatra manomboka ny 9 avrily hatramin’ny 25 jona 2026. Miditra amin’ ny fialantsasatra lehibe ny 26 jona.
Mandray ny asany ny mpandraharaha eny amin’ny sekoly ho an’ny taom-pianarana 2025-2026 ny 25 aogositra raha ny 1 septambra kosa ho an’ny mpanabe rehetra.
Vonjy