Vehivavy iray 52 taona sy lehilahy 25 taona voasambotry ny Polisin’ny Fip Boeny noho ny resaka trafikana baobab nain, omaly. Anisan’ny zava-boahary arovana izy ireto noho izy tsy hita raha tsy eto Madagasikara. Nahatratrarana baobab nain miisa 188 ireo olona ireto, izay fantatra fa harem-pirenena tsy azo ahondrana izany. Mbola mitohy ny fanadihadiana ahafantarana izay mpiray tsikombakomba amin’izy ireo.
Naiditra vonjimaika am-ponja any amin’ny fonjan’i Fenoarivo Atsinanana ireo telo lahy nikasa ny hanala baraka olon-tsotra iray ho mpanao trafikana taolam-paty, rehefa nandalo fanadihadihana teo anivon’ny Polisim-pirenena sy ny fampanoavana. Nenjehina noho ny fitazonana basy tsy ara-dalàna ihany koa izy ireo, rehefa avy niakatra fampanoavana, afakomaly. Napetrak’izy ireo tao amin’ny olona iray ny gony feno taolam-paty ny 11 marsa lasa teo, nosamborina io olona tratra io taorian’ny fahatratrarana ny entana.
Voasambotry ny polisy avy ao Ilanivato, ny lehilahy iray nivarotra rongony teny an-dalambe tetsy Ilanivato. Efa mpamerin-keloka sy mpanaparitaka zava-mahadomelina io lehilahy voasambotra io. Nivarotra rongony teny Anosipatrana sy ny manodidina izy io tamin’ny 05 ora hariva ny, 18 marsa 2025 lasa teo. Namidiny 1000 Ar ny fonosana iray tamin’ireo rongony. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina izao hetsika izao.
Fiofanana mahakasika ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy. Miatrika fiofanana nanomboka ny talata 18 marsa 2025 hatramin’ny anio ireo polisy sy zandary miisa 13. Natao mba hanamafisana ny fahaiza-manao sy traikefan’ireo Polisim-pirenena sy Zandary misehatra amin’io andraikitra io. Nisy ny fiaraha-miasa amin’ny Fitaleavana misahana ny fikarohana sy ny fiofanana. Mitohy eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ny fikambanana Maison des Enfants izany, amin’izao fiofanana izao.