VAOVAO TAMBATRA

Nifarana ny tetikasa « Tontolo voajanahary lo­vain-jafy », any amin’ny ilany atsinanan’i Mada­gasikara. Voakasik’izany ny faritra arovana Tanda­vanala Ankeniheny-Zahamena (CAZ) sy Ambositra-Vondrozo (Cofav). Nahafahana nampihena ny faharefoan’ny tantsaha miisa 23 800. Nihena hatrany amin’ny 9 tapitrisa taonina koa ny famoahana entona karbona.

Misanda 3 375 tapitrisa dolara ny fanafaran’entana nataon’i Madagasikara ny taona 2024. Izany hoe, niakatra 40% izany raha oharina ny tamin’ny taona 2023, izay nisanda 2 411 tapitrisa dolara. Nihe­na 19% kosa ny fanondranana nataontsika noho ny fihenan’ny vidin’ny nikela, kobalta sy ny lavanila (-15,4%) ary ny jirofo (-35,5%).

Hotanterahina ny 7 hatramin’ny 10 mai, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny “Foire des produits halieutiques” andiany faha-5. Hetsika hanandratana avo ny toekarena manga, sy ny jono ary ny vokatra azo avy aminy. Ho hita eny an-toerana ireo mpandraharaha sy mpisehatra samihafa hampahafantatra ny fihariany sy ny vokatra ataony.

Miisa 875 ny zana-kazo voavolin’ny Vondron’ny tanora any Antsohihy, ny 15 marsa teo. Tsy hijanona amin’ny fambolena ihany izy ireo, fa hisy komity manara-maso ny hazo nambolena. Manohana ny fikambanana ny Fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny harena lovain-jafy (Dredd) Sofia.

Partager sur: