Vetaveta fanahy

 

Resabe nampalahelo ny mahakasika ilay horonantsary nahavoakasika olo-malaza.  Vehivavy nanana ny maha izy azy kanefa noivaivaina sy nalana baraka an-kitsirano. Na inona na inona lazaina, fanapoizinana fiainan’olona ireny, famonoana an-kitsirano fianakaviana iray manontolo. Fihetsika mamoafady lavitra noho ilay horonantsary.
Tsy hidirana lalina iny tranga iny satria fiainan’olona manokana. Tsy maintsy asian-teny kosa ny mahakasika ny fikirakirana itony tambajotran-tserasera na facebook itony. Tena tokony hisy ny fandraisana andraikitra avy amin’ny fanjakana mihitsy angamba? Aiza dia isan’andro vaky izao no misy lasibatry ny fitsaram-bahoaka na ny lasibatra aza. Fositra iray manimba fiarahamonina izy ity.
Sanatrian’ny vava hoe miverin-dalana amin’ny sivana na ny famerana ny fahalalahan’ny hafa fa tokony hisy fijerena akaiky ity olana ity. Tsy vitan’ny fanimbana olona fa mamotika kolontsaina ihany koa. Ilay  maha Malagasy nikajy ny hasina maha olona aza narodany. Tena tsy hita fototra intsony ilay firenena. Ny reny nipoirana, ny vehivavy loharanonaina mihitsy no zimbazimbaina.
Manana andraikitra ny mpitondra fanjakana amin’ny fijerena vahaolana amin’ny gaboraraka amin’ny tambajotran-tserasera. Raha mitohitohy dia mety hanahirana. Andaniny, maniry toy ny anana ny kolontsaina tsimatimanota. Ankilany anefa, miroborobo ny fankahalana sy valifaty. Raha natao hitondra vokatsoa ny facebook, rehefa tsy voafehy dia iaraha-miaina ny fahalovana entiny.
Rehefa tsy afaka ny haka fepetra amin’ny famehezana ny fanjakana, tokony hanamafy ny fanabeazana amin’ny fampiasana tambajotran-tserasera. Betsaka ny fomba azo anentanana sy hanabeazana ny olom-pirenena mba tsy hibirioka. Inona mihitsy no ho olona raha mba halefa mialoha any am-pianarana mihitsy izany, noho izy tsy ho azo ihodivirana ihany.  Mila manala ilay toe-tsaina sy toe-panahy vetaveta io.

r.r

Partager sur: