Vola 8 000 Ar namonoany ny namany : Nalefa eny Tsiafahy ilay nahavanon-doza

Natolotra ny fampanoavana, niara-notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ilay namono nahafaty olona teny amin’ny kaominina Bongatsara. Vola 8 000 Ar no namoany ilay lasibatra.

Fitiavam-bola tafahoatra, tra-tehaka ka nalefa eny amin’ny fonja, ny talata 18 marsa teo, miandry ny fotoam-pitsarana azy ilay lehilahy namono olona tao Am­bohimanga ambony, fo­kon­tany Ambohibao, kaominina Bongatsara, distri­kan’Atsi­mondrano. Nirava avy niasa, nisotrosotro tao amin’ny trano fisotroana ny lehilahy iray, ny 8 marsa hariva. Nifanena tamin’ny roa lahy tao amin’io toerana io izy. “Mpinamana ihany izy ireo”, hoy ny nambaran’ny kaomandin’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra An­doharanofotsy. Niaraka niresadresaka ka raikitra ny fisotroana. Nividy zava-pisotro mahamamo izy telo lahy ireo. “Nomamoin’ireo roa lahy tamin’ny alalan’ny rongony koa io namany avy niasa io”, araka ny fanazavana voarain’ny zandarimaria nisahana ny famotorana. Mamo tanteraka vokatr’izany io lehilahy io ka nohararaotin’izy roa lahy. Nentin’ireto farany nivoaka ny tanàna izy. Novonoin’ireo tsy valahara avy hatrany. Na­lain’izy ireo ny sakaosy teny aminy niampy vola 8 000 Ar. Nasitrik’ireo namany tany anaty bozaka ny fatiny.

Nifampitadiavana

Banga ny toeran’ilay lehilahy tao amin’ny toeram-piasany ny 10 marsa ka tsikaritry ny mpiara-miasa aminy izany. Nanomboka nikaroka azy izy ireo. Tetsy ankilany, hitan’ny mpandalo ny fatin’ilay lehilahy niharan’ny vono. Nampandre ny tomponandraikitra ireo nanatri-maso. Nozahan’ny mpiasan’ny fahasalamana ao Andoharanofotsy sy ny zandary ilay vatana mangatsiaka ary naterina teny anivon’ny tranom-paty. Niroso tamin’ny fikarohana ny nahavanon-doza ny zandary. Namidin’ny iray tamin’ireo nanao ny vonoan’olona teny an-tsena ny kitapon’ilay maty. Norai­sim-potsiny io olon-dratsy io. Nitoroka ny namany izy ka eo an-dalam-pikarohana azy ny zandary. Tazomina vonjimaika eny Tsiafahy miandry ny fotoam-pitsarana ilay tratra.

Tsiferana R.

Partager sur: