Raim-pianakaviana 67 taona hita faty tsy nisy voamaso roa tao Tanandava, kaominina Mitsinjo Betanimena, distrikan’i Toliara II, ny 15 marsa teo. Nitsirara teny anaty tanimboly io lehilahy io no hitan’ny fokonolona. Tsy nisy aina intsony izy. Niantso ny manam-pahefana avy hatrany ny fokonolona. Nozahana ny vatana mangatsiaka an’io lahiantitra io. Nahitana ratra ny tendany sy sy sorony. Naratra mafy koa ny faritry ny lohany. Ahina ho novonoin’ny tsy mataho-tody izy ka narian’ ireo ny fatiny taorian’ny habibiana. Mponina anatin’ny fokontany Tanandava ihany ity niharan’ny vono olona ity. Tsy nisy nahita na nahatsikaritra akory ny fotoana nitrangan’ny halatra voamaso nihatra taminy. Natolotra ny havany ny nofo mangatsiakan’io maty io. Miroso amin’ny fanatanterahana ny fanadihadiana momba izao tranga izao ny zandarimaria miasa ao an-toerana. Marihina, manjaka ny halatra voamaso, indrindra ao amin’ny faritra Atsimo, tato ho ato.
Tsiferana R.