Aretina “anevrisme fusiforme”: Mila fandidiana any Inde i Fanilo

Tratry ny aretina “anevrisme fusiforme” amin’izao fotoana izao, Randriamamonjy Fanilo, zanak’i Torcelin Ran­driamamonjy, mpanao gazety misahana ny fanatanjahantena ato amin’ny Gazety Taratra. Misy fibontsinana noho ny ra mivaingana ny lalandra ao amin’ny lohany havia, araka ny “scanner” natao taminy. Naiditra teny amin’ny hopitaly miaramila Homi, ny 3 marsa lasa teo, saingy nambaran’ny mpitsabo fa tsy vita eto an-toerana ny fandidiana io “anevrisme” io ka voatery alefa any Inde, farany izay haingana mba tsy hahatapaka izany lalandra izany, izay mety hiteraka fahasarotana amin’ny fitsaboana.
Iaraha-mahalala anefa fa lafo ny saran’ny fandidiana, koa miantso tolo-tanana
amin’ireo namana, mpanao gazety, fikambanana mpanao asa soa ary ireo malala-tanana, na ny avy eto an-toerana na ny any am-pitan-dranomasina, ny tenany, hahazoana manatontosana izany. Nola­zain’ny mpitsabo fa mahalana ny fisehoan’izany aretina izany amin’ny olona satria efa nisy tsy fahatomombanana hatrany am-bohoka ity mahazo an’i Fanilo ity. Mitsahatra tanteraka amin’ny asany ny tenany noho ity aretina ity. Koa raha misy tsara sitrapo, vonona hanampy azy dia afaka mandefa izay foy amin’ny kaonty banky BOA laharana 240 242 200 06 na amin’ny laharana Mvola 038 50 218 35 / 038 29 280 78 na Orange Money 032 95 415 45.

Vonjy A

Partager sur: