Asa Avotra Mirindra faha-5 : Tantsaha 14 000 nisitraka tohana

Tontosa tao anatin’ny 40 andro ny andiana asa fahadimy amin’ny tetikasa «Asa Avotra Mirindra». Voakasik’izany ny faritra Analamanga, nanomboka ny 13 novambra 2024 hatramin’ny 7 febroary 2025. Miisa 28 ny kaominina nisitraka ny tetikasa ao anatin’ny distrika Anjozorobe, Ankazobe ary Manjakandriana.
Natao hanampiana amin’ny famokarana, ny fihariana ary hanatsarana ny fiainan’ny tantsaha ny tetikasa «Asa Avotra Mirindra». Voakasik’izany ny famokarana zana-kazo, ny fambolena voanjobory, mangahazo manara-penitra, fanamboarana zezi-pahitra na kaomposta 7 andro, sns. Tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny Politka ankapoben’ny fanjakana (PGE), hahavitan-tena ara-tsakafo, mitodika any amin’ny fampivoarana ny famokarana (transformation agricole).
Famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ny tetikasa, tanterahin’ny Tahirimbola ho an’ny fampandrosoana (Fid). Miahy azy ny minisiteran’ny Mponina, ary manohana ara-teknika ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra.

Njaka A.

Partager sur: