Maherin’ny 40% ny zaza latsaky ny dimy taona no miaina anatin’ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka eto Madagasikara. «Voakasik’ izany ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana, noho izy ireo mazàna lasibatry ny loza voajanahary», hoy ny lehiben’ny sampandraharaha fanjohiana sy fanaovana tombana eo anivon’ny Foibem-pirenena fanjarian-tsakafo (ONN), Raharijaona Andriamihaja, omaly. Manana anjara toerana lehibe amin’ny famolavolana ireo antotan-kevitra sy paikadim-pirenena hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny Comité national de suivi-évaluation (CNSE). Tanjona ny hanamafisana ny fomba fiasa sy hanatsarana ny fanjarian-tsakafo eto amintsika.
Omaly, nisy ny fivoriana voalohany niarahan’ireo mpisehatra amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo tetsy amin’ny Carlton Anosy, toy ny ONN, ireo mpiara-miobon’antoka ara-teknika sy ara-bola ary ny CNSE. Voalaza nandritra izany ireo tomban’ezaky ny asa vita nanditra ny taona 2024 sy fandrafetana ireo paikadin’asa sy tondrozotra ho an’ny taona 2025 ho an’ny sehatry ny fanjarian-tsakafo.
Vina
Voafaritra nandritra ny fivoriana natao ireo fanamby sy vahaolana mifanaraka amin’ny zava-misy. Ampiasana manokana ny haitao ara-kajy mirindra hanangonana ireo antontan-kevitra momba ny fanjarian-tsakafo sy handrindrana ny asa atao. Vonona hanamafy ny fanaraha-maso sy hanatsarana ny fandrindrana ireo hetsika hiadina amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ireo mpisehatra voakasika rehetra.
Henintsoa H.