Fahasalamana : Notokanana ny Maison des infirmiers

Nanetriketrika ny fitokanana ny Maison des infirmiers, omaly, tetsy amin’ny INSPC Mahamasina. Mamaha olana maro eo amin’ny fiainan’ny fianakaviamben’ny infirmier ny fahavitan’ny fotodrafitrasa. Nanofa trano ny birao hatramin’izay, mahaleo tena izy ankehitriny. Misy ihany koa ny trano azo ivantanan’ireo avy lavitra ao amin’ity tranon’ny infirmier ity.
Maro ny ezaka natao amin’ny famerenana ny hasin’ ny infirmier ary anisan’izany ny fiandrasana ny fanambarana, anio, izay hahatafiditra an’i Madagasikara ao anatin’ny filankevi-pirenen’ny infirmier (CII).
“Manao ny asany ara-dalàna ireo infirmier rehetra manerana ny Nosy any amin’ny tobim-pahasalamana mikarakara ireo marary ary miara-miasa akaiky amin’ny dokotera.
Haneho firaisankina koa ny fianakaviamben’ny infirmier, anio, eny Ambatofotsy”, hoy Rakotondrazafy Tolotra, filohan’ny infirmier sy rasazy mpiasam-panjakana.

Tatiana A

Partager sur: