Fihetsika isarihana ny sain’ny rehetra ary hanairana ny isam-batan’olona no nataon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra niaraka tamin’ny fikambanana skoto sy ny mpanabe tanora, omaly, teto Antananarivo, nandritra ny hetsika “Zéro plastique”.
“Zéro Plastique” no lohahevitra nentina nandritra ny fanadiovana tamin’ireo toerana maro, nanangonana karazana plastika nanentsina ny lakandrano eto Antananarivo. Fokontany 2 isaky ny boriborintany no voakasiky ny hetsika, ary skoto aman-jatony no naparitaka manerana ny boriborintany enina nanao fanadiovana.
Anisan’ny nanaovana ny fanadiovana ny teny Anosizato Atsinanana II, boriborintany fahefatra. Nentanina ny mponina amin’ny fitsinjarana fako plastika sy ny voka-dratsin’izany raha ariana fahatany. Nalana ny tavoahangy plastika teny amin’ny lakandrano…
Atao izay hahatonga saina ny mponin’Antananarivo fa efa loza mitatao ny fako plastika amin’ny tontolo iainana. Tsy voafehy mihitsy ity karazam-pako ity ary tena miparitaka. Anisan’ny fako tsy mety levona an-taona maro anefa ny plastika ka tena manimba tontolo iainana, na tavoahangy izany na ireo harona plastika sy ireo boaty plastika isan-karazany. Manaporofo izany rehefa misy fanadiovana dia ny fako plastika no anisan’ny betsaka hatrany any anaty lakandrano hatreny amin’ny dabam-pako.
Nisy ny fiaraha-miasa ho an’ny fahadiovana nifarimbonan’ny rehetra. Ireo rafitra sy fikambanana maro, toy ny minisiteran’ny Rano, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny minisiteran’ny Mponina, ny minisiteran’ny Tontolo iainana. Niaraka tamin’ny fikambanan’ny skoto, ny CUA, ny polisy monisipaly, ny SMA, ny Apipa, ny RF2 sy maro hafa no niara-nisalahy. Nifarimbona tamin’izany koa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Harilala Ramanantsoa, sy ny delegen’ny boriborintany, Ranalimalala Voahangy, izay nanasongadina ny lanjan’ny fanajana ny fahadiovana sy ny fampihenana ny fako plastika.
Tatiana A