Lohahevitry ny fihaonana an-tampon’ny COI: “Fahavitan-tena sy fanjarian-tsakafo manoloana ny fampandrosoana ny tsenan’ny ranomasimbe Indianina”. Hotanterahina eto amintsika ny fihaonana, ny volana avrily izao. Ho avy amin’izany koa ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron.
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny hanokafana ny masoivoho any Abou Dhabi, Emirats Arabo Mitambatra. Efa voafaritra ny toerana hametrahana izany ary efa an-dalana ny fampitaovana ho an’ny fiarovana sy fampanarahana fenitra ny toerana. Nankatoavina koa ny tetibola fampandehanan-draharaha izany masoivoho izany.
Hohamafisina ny fiaraha-miasa ara-pitsarana eo amin’i Afrika Atsimo sy i Madagasikara. Nivoitra izany tamin’ny nandraisan’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, ny masoivohon’i Afrika Atsimo, Khazamula Lawrence Chabane, teny Faravohitra. Harafitra ny volavolan-dalàna momba izany, araka ny nambaran’izy ireo.
Hankalaza ny faha-70 taona nijoroany ny Fiteva. Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalomanana Richard, ny solontenan’izy ireo, omaly, tetsy Anosy. Nangataka izy ireo mba hiahy izany fanamarihana izany ny filohan’ity Andrimpanjakana ity. Efa filoha lefitry ny Fiteva rahateo ny Jly Ravalomanana Richard satria avy any ny vadiny.