Nampahafantarina amin’ny fomba ofisialy, omaly, ireo mpikambana ao anatin’ny komitim-pirenena mikarakara ny fankalazana ny 26 jona 2025. Hanomana ny fety niverenan’ny Fahaleovantena sy ny fetin’ny Foloalindahy. Filoha vaovao hitantana izany ny talen’ny ofisy miaramila misahana ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina, ny Jly Rakotondrabary Eric. Miara-miasa manatanteraka aminy izany fikarakarana izany ireo avy amin’ny Andrimpanjakana miisa 10. Anisan’izany ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika sy ny Primatiora. Samy manana solontena avokoa izy ireo ankoatra ny eo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy sy ireo minisitera hafa.
Nanokatra izany ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, ny lehiben’ny Etamazaoro, ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo, ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakotomalala Andriatahiana Jean Herbert. Teo koa ireo tomponandraikitra ambony avy eo anivon’ireo minisitera samihafa.
Synèse R.