Fotodrafitrasa famatsian-drano: Mampiasa lavadrano ny 18% ny mponina an-drenivohitra

Tsy misitraka rano fisotro madio ny 74% ny mponina eto Madagasikara. Tafakatra 76% io taha io eny amin’ny tontolo ambanivohitra raha toa ka 67% ny Malagasy an-drenivohitra no miaina izany.

Nivoitra tao anatin’ny fanadihadiana nataon’ny Afrobarometer fa 74% ny Malagasy no tsy misitraka rano fisotra madio ho an’ny filana ao an-tokantrano, tamin’ny taon-dasa.
Manodidina ny 71% ireo ny fotodrafitrasam-pamatsian-drano an-drenivohitra. Amba­ny kosa io taha io eny ambanivohitra, izay 21%. Noho izany, 18% ny mponina an-drenivohitra no manana lavadrano raha tafakatra 34% izany any ambanivohitra. Ankoatra izay, «60% ireo natao fanadihadiana no nilaza fa manana loharanon-drano ivelan’ny faritry ny tanàna raha nilaza ho manana izany ao anatin’ny faritry ny tanàna ny 39% ary 1% ihany no manana izany ao an-trano», hoy ny fanazavana voaray. Fantatra fa 5% ny mponina an-drenivohitra no manana loharanon-drano anaty trano, 47% no ao ana­tin’ny faritry ny tanàna. Ta­fakatra 49% kosa izany ho an’ny ivelan’ny faritry ny tanàna. Lavitry ny fotodrafitrasa ny tontolo ambanivohitra satria 1% ny mponina no manana loharanon-drano anaty trano raha 37% no mantsaka ana­tin’ny faritry ny tanàna. Ma­hatratra 62% ireo mitady rano ivelan’ny faritry ny toeram-ponenany.

Lavapiringa
Ambany ny taha-pisitra­han’ny Malagasy lavapiringa. 2% ny mponina no manana izany ao an-trano raha toa ka tafakatra 62% no manana lavapiringa ivelan’ny trano fa anatin’ny faritry ny tanàna. 18% ny Malagasy miantehitra amin’ny toeram-pivoahana ivelan’ny faritry ny tanàna. Mitovy taha amin’izany (18%) ireo milaza tsy manana fahafahana misitraka lavapiringa na toeram-pivoahana.
Noho ireo, tsy mankasitra ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny lafiny famatsian-drano sy fanadiovana ny (71%). Marihina fa ankalazaina rahampitso ny Andro maneran-tany ho an’ny rano.

Henintsoa Hani

Partager sur: